Mpitandrina Ranaivo Jonah

« Mila mandray andraikitra ny kristianina »


  • Alatsinainy 15 Aprily 2024

Iray lisitra lisitra amin’ny kandida depiote Alain Ratsimbazafy ao anatin’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny mpitandrina Jonah Ranaivo.

Nambarany fa mirotsaka amin’ny anaran’ny mahaleo tena ity kandida ity ka manan-jo hiteny hiteny, hisolo ny vavam-bahoaka fa tsy solombavan’antoka. « Latsaka an-katerena loatra ny firenena, betsaka amin’ireo mpanao lalàna no tsy mijery ny tena lalàna mahasoa ny fiarahamonina sy ny vahoaka Malagasy. Latsaka an-katerena ny firenena dia mandray andraikitra ny mpitondra fivavahana, fa raha ny mpitondra fivavahana no tsy mandray andraikitra amin’ny kristian’ina dia iza no handray andraikitra, fa lasa raisin’ny jentilisa ny Firenena ka tsy mahagaga raha izao no anaovany azy », hoy hatrany ny Mpitandrina Ranaivo Jonah. Noho izany, nanapa-kevitra aho ho mpiray lisitra hofidiana ho solombavambahoaka satria mila mandray andraikitra ny Kristianina, ka hitaomako ny Kristianina rehetra na anatin’ny FFKM na ivelany, mba hifanome tanàna ho an’ny firenena, fa mila antsika ny Firenena, hoy ity Mpitondra fivavahana ity. Isan’ny fanentanana efa nataon’ny Filohan’ny FJKM moa raha tsiahivina ny hoe : aza menatra manao politika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT