Feno folo taona katroka tamin’ny faran’ny herinandro teo ny niarahan’ny mpitandrina Ramambasoa Andrianasolo Hantaniaina Rojo Lalaina niasa tamin’ny fiangonana FJKM Antanety Fitahiana, Synodam-paritany Antananarivo Andrefana.
Feno 20 taona tamin’io fotoana io ihany koa ny naha mpitandrina azy teo anivon’ny fiangonana. Fotoam-pivavahana lehibe nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no nanamarihana izany, notarihin’ny Mpitandrina Razafindramanitra Nestor, avy amin’ny birao SPAA 10. Nisongadina fa vonona ny hitondra ainga vao ho an’ny fiainan’ny isam-pianakaviana eo anivon’ity fiangonana iray ity ny mpitandrina sy ireo mpiara-miasa aminy ka ho lohalaharana ny lafiny ara-panahy. Mbola hitohy amina hetsika maro samihafa ny fankalazana raha mbola eo am-panomanana ny komity mpikarakara.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.