Finoana

Mpitandrina Rabeharivelojaona Lantoniaina “Fanonganana ny fanjakan’ny devoly ny Paska”


  • Sabotsy 15 Aprily 2017

Anisan’ireo nahazo fanasana hanatrika ilay fivoriana niompana tamin’ny fanorenana ifotony natao teny amin’ny Espace dera omaly, ny mpitandrina Rabeharivelojaona Lantoniaina.

  Naneho ny heviny mikasika ny resaka fanonganam-panjakana izay saika voavoy be tao ho ao moa ny tenany ary nampifandraisiny ho ohatra tao anatin’izany ny fetin’ny paska izay hatrehan’ireo kristianina rahampitso. Averiko ombieny isan-taona fa ny paska dia fanafahan’Andriamanitra ny zanak’Israely tamin’ny fanjakan’ny egyptianina tamin’ny fotoan’androny, hoy izy. Amin’izao fotoana izao dia paska hahatsiarovana ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty no tsaroantsika, izany hoe, fanonganam-panjakana no nataon’i Jesoa Kristy saingy fanonganana ara-panahy dia ny fanonganana ny fanjakan’ny devoly sy ny fahafatesana. Voaongana ireo rehefa nitsangana tamin’ny maty Jesoa. Vanim-potoana paska avokoa no nitranga tany Rwanda, ny teto tamin’ny 1947 sy 1971 ary ireo hafa marobe satria saika teo no nisiana fanafahana isan-karazany, hoy izy. Saingy ny lafiny ara-panahy no tiako tsindriana satria miongana ny fahafatesana raha mandray an’i Jesoa Kristy isika. Anjaran’ny tsirairay, hoy hatrany izy, no mampifanandrify izany amina lafim-piainana samihafa.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT