Finoana

Mpitandrina Lala Haja Rasendrahasina Nankasitrahan’ny FJKM ny asa vitany


  • Alatsinainy 23 Oktobra 2017

Notontosaina omaly alahady 22 oktobra nanomboka tamin'ny 3ora tolakandro tao amin'ny FJKM Ankadifotsy ny fisaorana ny Mpitandrina Lala Haja Rasendrahasina noho ny nitantanany ny FJKM nandritra ny 12 taona.

 

 Nahavita be ho an’ny  Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ny mpitandrina Lala Rasendrahasina. Anisan’ny niaina vanim-potoana mavaivay ihany koa tamin’ny krizy 2009 kanefa nijoro hatrany amin’ny maha FJKM azy ary niasa mafy nifanampy tamin’ireo filoham-piangonana tamin’ny fampihavanana nataon’ny FFKM ka nahafahana nampihaona ireo filoham-pirenena 5 nifandimby teto Madagasikara, dingana iray lehibe amin’ny fampihavanam-pirenena. Zanaky ny mpitandrina Titus Rasendrahasina izay anisan’ireo angady nananana sy vy nahitana tamin’ny fananganana ny FJKM ary filoha voalohany nitarika azy ny mpitandrina Lala Haja Rasendrahasina. Nitarika ny fotoana omaly teny Ankadifotsy ny filoha am-perinasan’ny FJKM, ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi. Tazana teny an-toerana ihany koa ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT