Finoana

Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi Hametraka Fiangonana matanjaka


  • Talata 30 Aogositra 2016

Nihaona voalohany tetsy amin’ny Foibe FJKM Ampandrana omaly ny birao vaovaon’ny Mpiandraikitra foibe FJKM vao voafidy nandritra ny Synaoda lehibe faha-18 natao tao Antsirabe ny herinandro lasa iny, tarihin’ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi sy ny birao teo aloha tarihin’ny Mpitandrina Lala Rasendrahasina.

Fihaonana savaranonando ihany ity nahafahana mifampizara ny zavatra rehetra iainan’ny Fiangonana ity fa tsy mbola famindram-pahefana.  Raha ny fanazavan’ny Filoha vaovaon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, dia “hitohy ny firahalahiana ao anatin’ny FJKM”. Nohamafisin’ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi fa “sarobidy ny fiaraha-miasa”. Tsy manomboka amin’ny birao miasa ankehitriny akory ny FJKM, hoy izy ka “tandrovina toy ny anakandriamaso ny fiaraha-miasa ary mpirahalahy mian’ala ny FJKM”. Mahakasika ny anjara toeran’ny Fiangonana eto amin’ny firenena dia nambaran’ity Filoha vaovao ity fa fanamby lehibe ny “hametraka Fiangonana matanjaka tsy ho menatry ny ho vavolombelon’i Kristy eto amin’ny firenena”. Mbola dingana voalohany no vita omaly fa ny famindram-pahefana dia mbola mizotra miandalana, misy ny famindram-pahefana ara-pitaovana aoriana, famindram-pahefana am-bava, ara-bola ...

                                                                                                                                 Toky R.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT