Mpitandrina Hubert Rakotoarivony

“Ny fiangonana sisa no fiarovana farany”


  • Talata 26 Desambra 2023

Inona no ilaina takarin' ny mpanabe ankehitriny, hoy ny fanontaniana napetraky ny tale jeneralin’ny FMBM

na Fikambanana mampiely Baiboly malagasy, ny mpitandrina Hubert Rakotoarivony? Ray aman-dreny, mpampianatra, mpitondra fiangonana sy fanjakana, hoy izy? Aza mandany andro mifanebaka amin’ny adihevitra teolojika sy sosiolojika mikasika ilay "fitsofan-drano ivelan'ny litiorjia" loatra! Tendron'ny “iceberg” na Vatondranomandry fotsiny io. Jereo ny hafetsen'ireo rafitra miafina tsy hita maso manosika hatrany ny mpiara-belona hanana ny fisainana malalaka na “relativisme moral”! “Tsy misy ny marina tokana fa izay fijerinao ka marina aminao no izy. Ny hevitry ny hafa koa dia marina. Ny safidy koa dia tahaka izany.” hoy izy ireo. Izay tianao ka mety aminao ihany io. Manomboka any amin'ny ambaratonga voalohany dia efa ofanin'ireo ho amin'ny fisainana sy ny fampitana izany ny mpampianatra mba hamolahana ny sain'ny ankizy ho mpanara-poana sy ho mpanjaka kely. Io programa EVRAS na “Éducation à la Vie Relationnelle Affective et Sexuelle” ho an'ny zaza 5 hatramin’ny 15 taona io dia mbola ho avy eto. Itony toetsaina itony no entina manafoana ny fisian'ny “marina” tsy iadian-kevitra, ny refy moraly izay mamaritra ny tsara sy ny ratsy. Izay no refy iaingana. Rehefa tsy misy io dia azo faritana amin'izay itiavany azy daholo ny zava-drehetra. Ny fisainana “transhumaniste” izay mahatonga ny fihetsika mampifangaro voraka ny maha lahy sy ny maha vavy no toa miha mahazo vahana amin’ny fiangonana, ny fiarahamonina, ny fandraharahana ankehitriny. Ny fiangonana sisa no tovon-tany fiarovana farany amin’ny fijoroana amin’ny marina tokana sy ny soatoavina mifandraika amin'izany. Tsy mahazo mitsanga-menatra amin’izany izy na akoraina ho tery saina aza. Ilaina hatrany ny “point de référence” na fanovozan-kevitra eo amin’ny fiainana. Na tsy manisika ny fisiana marina tsy iadian-kevitra aza ny sehatry ny filozofia dia miainga hatrany amin’ny “supposition”, izany hoe tombatombana na teoria iombonana mba hahatongavana amin’ny hevitra katsahiny. Hoy i Victor Hugo hoe "Aoka ho toy ny hazo ianao! Ovay ny raviny fa sanatria ny fakany!” Ny hevitra na “opinions” no afaka ovaina; sanatria kosa ny filamatra na “principes” sy “objectifs. Hijoro hatrany amin’ny fahamarinana araka ny voalazan’ny Baiboly ao amin’ny Jaona 14:6 anie ny fiangonana Kristiana malagasy ka ‭‭hahatsiaro mandrakariva "fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy; fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy, araka ny voalaza ao amin’ny 2 Korintiana‬ ‭10:4‭-‬5, hoy hatrany ity mpitandrina ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT