Finoana

Mpitandrina Edmond Razafimahefa Nodimandry ny zoma lasa teo


  • Alatsinainy 22 Desambra 2014

Nodimandry ny zoma 19 desambra lasa teo ny mpitandrina Edmond Razafimahefa, diso fantatry ny mpino kristianina Fjkm loatra satria efa manodidina ny 40 taona no naha mpitandrina azy teo anivon’ny sahan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Izy ihany koa dia efa filohan’ny mpiandraikitra foiben’ny Fjkm nandritra ny 12 taona. Tsy dia re feo firy izy tato anatin’ny 6 taona teo ho eo, satria nifindra tany ivelany tany Frantsa ary nitantana Fiangonana protestanta tahaka ny Fjkm misy eto Madagasikara ihany. Nandalina ny teolojia tany Montpellier – Frantsa ny mpitandrina Edmond Razafimahefa ary anisan’ireo heverina fa goavana amin’ny resaka toriteny teto amintsika. Izy no nitarika ny Fjkm mialoha ny mpitandrina Lala Rasendrahasina. Mankahery ny fianakiavana ny eto amin’ny Gazety Tia Tanindrazana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT