Nanao fanambarana hentitra sy manan-danja omaly teny Ambatonakanga ny Mpitandrina Avotra
ho an’ny Firenena (M.A.Fi) manoloana ny fiainam-pirenena ankehitriny. Tsy afaka ny hangina intsony manoloana ny fahapotehan’ny firenena, hoy izy ireo, raha tsy hiresaka mivantana sy am-pahatsorana momba ireo zava-misy mandravarava: fanapoizinana ara-tsakafo, fihanaky ny tazomoka mahafaty olona, fahantrana lalina, sy ny tsy fandriam-pahalemana miharo tahotra manerana ny faritra maro. Nahitsy izy ireo naneho fa lasa zary fialokalofan’ireo mpambotry sy mpanararaotra ny fitantanana ny firenena, tsy hita intsony ny fitiavan-tanindrazana. Madagasikara, firenena anisan’ny manankarena indrindra amin’ny harena voajanahary sy kolontsaina, no potiky ny fizarazarana ara-politika, ary raha mitohy izao, dia mety hitarika ady an-trano mihitsy aza, hoy ny fanambaran’ny M.A.Fi. Manoloana izany, dia niantso mivantana ny olom-pirenena izy ireo mba hibanjina an’Andriamanitra, ho mailo, hitandrina tsara, ary ho sahy maneho hevitra amin-kitsimpo sy am-pahendrena. Miantso ireo vita batisa, efa nanao fandraisana, batemy sy komonio voalohany koa ry zareo mba hijoro ho olom-pirenena tompon’andraikitra, amin’izao fotoana heverin’izy ireo ho mety hanarenana indray ny firenena sy ny hoavin’ny taranaka Malagasy. Nanamafy M.A.Fi fa manana adidy ny fiangonana, satria raha tsy teo ny fiangonana dia mety ho lavon’ny faharavana tanteraka i Madagasikara. Tsy manana fahefana amin’ny fanapahan-kevitra ara-politika na ara-toekarena kosa anefa, fa manao ny tandrify azy amin’ny fanabeazana ara-tsaina, ara-panahy ary ara-batana. Ho fanehoam-piraisan-kina sy fandraisana andraikitra ara-panahy dia hanatanteraka vavaka fiombonam-po sy fampaherezana ny MAFI anio zoma 18 Jolay 2025, amin’ny 2 ora tolakandro, eny amin’ny Kianja Maitso Analamahitsy. Asaina manokana amin’izany ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka. Anisan’ny hoentina am-bavaka amin’io fotoana io ihany koa ireo mpianatra hiatrika fanadinana bakalorea. Hitondra ny hafatra ara-panahy sy hitarika vavaka amin’izany ireo mpitandrina lehibe: Hubert Rakotoarivony, Dr Pastora Hery Rabarimanana, Révérend Jocelyn Ralambomanana, Reverend Père Rabenirina Joseph, ary Pasitera Tsiandramana Jerry Lalaina. Tsy ho latsa-danja amin’izany ny fiderana ara-pilazantsara hiarahana amin’ny mpanakanto maro toa an’i Rojo Ny Avo, Ventso-Kira, Mialy Rakotomamonjy, Tonton Dede, sy Haga. Nanipika moa ny M.A.Fi fa tsy misy ambadika politika ny hetsika fa vavaka iaraha-manandratra ho fanasoavana ny firenena, manohy ny hetsika ara-panahy teny Antsahamanitra, ary efa nahazo alalana avy amin’ny Prefektiora sy ny CUA.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.