Mpitandrina avotra ho an'ny firenena

«Mbola azo hatao tsara


  • Alatsinainy 08 Septambra 2025

ny manavotra ireo mbola sisa marary»

Nanao fanambaràna ny MAFI na Mpitandrina avotra ho an'ny firenena ny sabotsy teo fa misaotra an'Andriamanitra ray, zanaka, fanahy masina izy ireo noho ny fahasoavany sy fitiavany izay nomeny antsika vahoaka malagasy. Maneho fisaorana antsika rehetra namaly ny antsoantsonay ny 18 jolay 2025 ny amin'ireo havantsika marary sy tsaboina tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza, hoy izy ireo. Ny fangatahanay tamin'izany dia fanaovana Evasan na «évacuation sanitaire», izany hoe, fitsaboana any am-pitan-dranomasina ho an'ireo mbola tsaboina rehetra tao amin'ny hopitaly. Eto izahay dia miantso ny malala-tanana rehetra mba hifandrimbona amin'ireo izay efa nandray an-tanana ny hanao izany ka hitondràna azy ireo any Maorisy. Hoy ny Ntaolo mantsy hoe "Tanana havia sy havana, izay didia-maharary'", "Aina ity hoy Rainimanonja". Mbola azo hatao tsara ny manavotra ireo mbola sisa marary. Malagasy ianao, malagasy isika, malagasy ireo mbola marary. Andao hifanampy, hifanohana amin'ireo fianakavian'ny marary, hoy hatrany ity fanambaràna ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT