Finoana

Mpino teny Soamandrakizay Maro ireo niakatra tosidra tampoka


  • Zoma 13 Septambra 2019

Nahatratra 1.653 ireo olona narary teny Soamandrakizay vokatry ny vovoka sy ny hatsiaka raha araka ny tatitra ofisialy nataon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka omaly.

 

 

 

 

Maro tamin’izy ireo no tratry ny aretim-pivalanana, nisy ihany koa ireo niakatra tosidrà be tampoka noho ny antony tsy fantatra ankoatra ireo efa nanana aretina mitaiza ka nihetsika tampoka noho ny havizanana. Ny 15 tamin’ireo no naiditra hopitaly ka nisy ireo nalefa tao amin’ny hopitaly HJRA raha nisy ihany koa ireo nalefa teny Befelatanana. Mpilatsaka an-tsitrapo  miisa 500 niampy mpitsabo 200 no indray nifanome tanana sy niara-nisalahy tamin’ny fikarakarana azy ireo izay notoloran’ny profesora Julio Rakotonirina, minisitry ny fahasalamam-bahoaka fisaorana mitafotafo sy mari-pankasitrahana. Nomarihin’ity farany fa misy hatrany ny anatra azo tsoahina rehefa misy tranga tahaka ireny toy ny fahafahan’ny tsirairay manontany mialoha ny sampana mpamantatra ny toetr’andro hahafahana mandray fepetra momba ny fitaovana hampiasaina manoloana ny tranga tahaka ireny.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT