Mpino sy mpankato ny fomba nentim-paharazana

«Avoahay mba hiombonantsika mianakavy ny lohataona!»


  • Alatsinainy 15 Aprily 2024

Nankalaza ny fetin’ny Alahamadibe teny Ambohimanambola omaly ireo mpino sy mpankato ny fomba nentim-paharazana malagasy

izay nahitana ireo mpitsabo nentim-paharazana samihafa ary notronon’ny filohan’ny Fikambanam-pirenen’ireo mpitsabo nentim-paharazana malagasy na ANTM, Josephin Andriandrainarivo. Fety fanaovana sorona ho fangataham-pitahiana amin’ny Zanahary sy ireo razana ny Alahamadibe, hoy ny fanazavana. Toerana maro no efa notetezina nankalazana ity Alahamady ity. Avy tany Ambatofahavalo dia eto indray, hoy ny filohan’ny ANTM. Tazomy, hoy izy, ny fomba nentim-paharazana fa kitro ifaharan’ny fanarenana ny hasin’ity tanintsika ity. Fanarenana ny hasin’ny fiarahamonina malagasy, indrindra, ny fiandrianam-pirenena. Fahaleovantena tena izy ho an’ity Madagasikara ity ara-kolontsaina, indrindra fa ilay antsoina hoe maha izy ara-kolontsaina na «identité culturelle». Mifototra amin’ny fihavanana izany. Mila mihavana isika eto Madagasikara! Tsy mifampihatsara ivelatsihy, tsy mizarazara fa rehefa miray hina isika ka nahatanteraka izao fomba izao, indrindra, ireo mpitana soatoavina eran’i Madagasikara, isika no maro an’isa, hoy hatrany ireto mpino sy mpankato fomba nentim-paharazana ireto. Mangataka moa izy ireo ny amin’ny mba hanokanana andro iray ho an’ny kolontsaina eto Madagasikara. Tsy misy tany tsy misy lohataona izy eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny ANTM. Manomboka fararano hatramin’ny volambita dia misy hetsika foana, hoy izy, ary ny any Atsimo atsinanana aza mbola manao Fandroanandriaka. Avoahay mba hiombonantsika mianakavy ilay lohataona kosa, hoy hatrany izy ireo!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT