Finoana

Mpino silamo Mosquée 67 ha Notoloran’ny Vondrona Antanimena sakafo ao anatin’ny fifadian-kanina


  • Alatsinainy 14 Jolay 2014

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fifadian-kanina isika amin’izao na ny ramadany ho an’ireo mpino Silamo.....

Amin’ny maha iray ny Malagasy rehetra, tokana ihany koa ny Andriamanitra hivavahana dia tonga nanolotra fanomezana ho an’ireo mpino ao amin’ny Mosquée 67 ha ny Vondrona Antanimena, notarihin’i José Rakotomavo ny sabotsy lasa teo. Makarôny, ronono amin’ny boaty niampy siramamy no natolotr’izy ireo tamin’izany. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny Vondrona Antanimena dia fotoana fanompoana lehibe sy masina ho an’ny mpino silamo ny andro Ramadany.  Fotoana iray hitondran’izy ireo am-bavaka ny firenena ihany koa mba hahatongavana amin’ny tena fampihavanana marina. Izany rahateo no katsahintsika amin’izao fotoana, hoy ihany ity tompon’andraikitra ity ka rariny raha tohana amin’ny alalan’ny fanolorana fanomezana izy ireo. Fikambanana sy antoko ary vondrona politika manodidina ny 32 isa no mikambana ao anatin’ny Vondrona Antanimena raha tsiahivina. Mitovy foto-kevitra sy fomba fijery avokoa izy ireo mikasika ny tokony hanatanterahana ny fampihavanana eto amin’ny firenena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT