Finoana

Mpino Kimbanguista Hankalaza ny 6 aprily namoronan’i Papa Kimbangu ny fiangonany


  • Alahady 06 Aprily 2014

Hankalaza ny datin’ny 6 aprily fitsingerenan’ny taona namoronan’i Papa Simon Kimbangu ny fiangonana Kimbanguiste tany Kama any Kinshasa renivohitry ny Repoblika Demokratikan’i Congo tamin’ny taona 1921, ny fiangonana Kimbanguiste eto Madagasikara etsy Andavamamba tarihan’ny Révérend Andrianalijohn Ndriamanampy.

 Noho ny fahatsapany fa mila fiangonana sahaza azy ireo Afrikanina mainty hoditra ho fanoherana ny fanjanahana nianjady tamin’izy ireo no nialan’i Papa Simon Kimbangu tamin’ny finoana Baptista Biblika narahany taloha ka nananganany an’ity fiangonana vaovao tany Kama ity. Isaky ny roa taona moa any amin’ity toerana ity dia misy ny fivoriamben’ireo mpitarika ny finoana Kimbanguiste maneran-tany. Anisan’ny voaasa hanatrika izany i Madagasikara amin’ny alalan’ny tenanay rehefa tsy afaka nandeha tany in-droa nisesy aho tamin’ny farany (2006 sy 2012) noho ny toe-draharaha nisy teto amin’ny firenena ka nahavoasaringotra anay mpitantana politika, hoy Rév. Andrianalijohn Ndriamanampy. Hangataka tso-drano amin’ny Chef Spirituel Kimbanguiste ankehitiriny izahay ho an’ny firenena satria mila vavaka isika mianakavy hahazoany aim-panahy hoentina hampadrosoana ity firenentsika ity, mba hisian’ny fandriampahalemana ihany koa.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT