Finoana

Mpino katolika Nosakanana tsy hanao «procession»


  • Alatsinainy 08 Jona 2015

Nanaitra ny maro ny nanakanan’ny fanjakana mijoro ny dia mivavaka (procession) tokony ho nataon’ny mpino katolika teto an-drenivohitra miainga eny Mahamasina mihazo ny kianja Md Misely Amparibe omaly

alahady 7 jona nankalazana ny fetin’ny “Sakramenta Masina”. Fanaon’ny Fiangonana Katolika maneran-tany io dia mivavaka io hankalazana ny fetin’i Eokaristia, Sakramenta Masina fanao rehefa volana jona. Araka ny fantatra dia nanome alalana ny Kaominina sy ny Prefektora fa ny Minisiteran’ny Atitany no nandrara. Satria ve mandeha ny resaka fa hisintaka amin’ny zotran’ny fampihavanana ny katolika ? Betsaka no tafintohina sy nalahelo, tsy ireo Katolika ihany fa avy amin’ny antokom-pinoana hafa koa, nanoloana io fanakanan’ny fitondrana ny “Procession” na dia mivavaka nitondrana an-tongotra ny Eokaristia, vatan’i Jesoa Kristy, niala ao amin’ny tabernakla EKAR Saint Joseph Mahamasina, hoentina etsy amin’ny Saint Michel Amparibe io.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT