Mpikabary Katolika

Niampy 561 isa ny eto Antananarivo


  • Alatsinainy 18 Septambra 2023

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Kianja Maki Andohatapenaka ny sabotsy teo ny andiany faha 18

amin’ireo mpikabary mikambana eo anivon’ny Fikambanan’ny mpikabary Katolika eto Madagasikara na Mpikalo. Nampitondraina ny anarana hoe andiany Masindahy Paoly moa izy ireo, hoy ny fanazavana. 561 isa izy ireo. 9 volana ny faharetan’ny fiofanana ka miisa 3 ireo taranja iofanana ao anatin’izany, izany hoe kabary fototra ny 3 volana voalohany. 2 volana, kabary an-karatsiana. 4 volana farany ny kabary am-panambadiana sy am-pifaliana mbamin’ny famoahana fety entina amin’ny vanim-potoana tahaka izao. 750 ireo niofana tany am-piandohana saingy noho ny antony maro samihafa dia ireo no naharitra. Ny tarigetra sy fiainan’i Md Paoly izany, araka io anarany io, no arahan’ireto andiany vaovao ireto. Maharitra 5 taona ny fiofanana aorian’ny famoahana voalohany tahaka izao. Tsy ifanerena intsony anefa izay fa miankina amin’ny safidy sy tanjon’ny mpiofana tsirairay. Amin’ny oktobra ny fidirana manaraka. Eny anivon’ny fiangonana Katolika rehetra ny fanentanana sy vaovaom-piangonana, hoy hatrany ny fanazavana. Niampy 561 isa indray izany ireo mpikabary Katolika eto amin’ny diosezin’Antananarivo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT