Finoana

Mpandala fomban-drazana sy mpino “Musulmans” “Hotetezinay ny sehatra rehetra hihavana”


  • Alarobia 01 Martsa 2023

Nampiray feo tetsy amin’ny kianja maitson’Analamahitsy ny faran’ny herinandro teo ireo mpandala fomban-drazana sy mpino Miozolimanina fa ilaina ny fanarenan-kasina ity firenena ity.

Tsy ilaina ny ady, ny fifandrafiana, ny sotasota amin’ny hafa finoana amin’ny tena, hoy izy ireo. Nifanaiky, noho izany, izy ireo, ary nivoady fa hanatanteraka ny adidy hahatongavana amin’izany amin’ny sehatra rehetra na sosialy na toekarena na politika. Potika ny hasin’ny fiarahamonina. Very ny hasin’ny fifankatiavana eto amin’ity tany ity. Izany tsy fandriampahalemana izany dia avy amin’ny fialonana, fitiavan-tena, fankahalana ny hafa. Rehefa mifankatia isika, miverina marina ilay hasin’ny fihavanana dia miverina tsikelikely ny fandriampahalemana. Noraketina anaty boky mena izany voadinay izany anio. Hangatahanay koa amin’ny tomponandraikitra ny mba hanovana ity kianja ity ho kianjan’ny fampihavanana. Efa nandefa taratasy tany amin’ny finoana hafa toy ny FFKM koa izahay ny volana novambra. Na mpitandro filaminana, na mpitondra fiangonana, na mpitondra firenena na iza dia samy ho tetezinay sy ho resenay lahatra hoe andao hiavana, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Legende: Nanao sonia fifanekena tanaty boky mena mihitsy izy ireo.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT