MPANAO PROPAGANGY MIFAMPIANTSY

« Fitiavan-tseza no tena mahamaika ny sasany »


  • Alakamisy 28 Novambra 2024

Mifampihantsy avokoa ny ankamaroan’ireo mpanao fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana Ben’ny tanana amin’izao.

Samy manana ny endrika hisehoany izany izay saika mihafara amin’ny fifamaliana sy ny fifandonan’ny vahoaka madinika mihitsy. Antony mahatonga izany raha araka ny fanazavan’ny Pastera Heritiana Randriarimalala dia tany mbola mahantra isika hany ka mbola miaina ao anatin’ilay kolontsaina fampiadiana ny fiaraha-monina sy ny mpianakavy amin’ny resa-politika. Tsy ny fitiavana ilay firenena no tena manosika hoy izy fa fitiavan-tena sy fitiavan-tseza miampy fitiavam-bola. Any amin’ny tany mandroso anefa rehefa vita ny propagandy raha ny nambarany dia mifamihina sy mifampitso-drano tsara ny mpilalao. Lasa manaraka izay toe-tsaina mampalahelo izay ihany koa ny vahoaka hany ka tsy mahatsinjo lavitra hijery ilay tombontsoa ambonin’ny firenena intsony fa ny hohanina anio ihany. Izay mahatolotolotra ihany….Notsiahiviny manokana moa fa ny olona tokony ho Ben’ny tanana dia olona mahitsy sy marina. Tia tanindrazana ihany koa ary vonona hiasa ho an’ny firenena. Tsy tia tena be loatra koa ka hangoron-karena fa mba mitsinjo ny vahoaka. Antso hataon’ny Pastera Heritiana amin’ny mpiray tanindrazana araka izany ny tokony hivavahana mialohan’ny handrotsaham-bato hanomezan’Andriamanitra fahendrena sy tolo-tsaina. Indray mandeha isaky ny 5 taona ihany mantsy vao misy fifidianana hoy izy.
Pati
Legende : Pastera Heritiana, Filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT