Finoana

Mpanao propagandin'ny Apostoly tsaratsara Nahatezitra ny olona teny Anosipatrana


  • Alarobia 27 Mey 2020

Nampitangorona olona teny amin ny arabe mihazo an'Anosipatrana Ilanivato iny ity tovolahy miloloha ny sarin'ny apostoly Tsaratsara miaraka amin'ny baiboly.

 

 

 

 

Tsy misy tahotra sy henatra ilay tovolahy fa miantsoantso toy ireny manao fampihelezan-kevitra manerana ny arabe milaza fa ity ilay mesia. Mitory teny izy rehefa toerana malaladalaka dia mitangorona eo koa ny olona. Resiny lahatra eo ny vahoaka fa i Apostoly tsaratsara ilay voalaza ao amin ny baiboly fa mesian n y malagasy. Horaka sy tabataba no nasetrin'ny vahoaka izany kanefa tsy nampitsahatra azy akory. Raha tsy ny polisy no nanala ilay tovolahy teo ary nampitandrina azy fa manakorotana ny saim bahoaka dia tsy niala izy. Hita taratra fa efa doton'ny finoana ny apostoly tsaratsara ilay tovolahy ka tsy mahalala izay hahafaty azy intsony. Hadinon'ireo mpanaraka azy fa mbola ao anatin'ny aretina sy hamehana ara-pahasalamana isika ka mila hajaina daholo ireo fepetra rehetra.

Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT