Finoana

Mpampianatra FJKM 24 mianadahy no notolorana sertifika


  • Sabotsy 17 Desambra 2016

Tao anatin’ny fanompoam-pivavahana nisaorana an’Andriamanitra notarihan’ny Mpiandraika foibe FJKM, teny amin’ny fiangonana FJKM Alarobia Amboniloha,

ny zoma 16 desambra teo, noho ny fahatontosan’ny fanofanana nomena an’ireo mpampianara am-perinasa andiany faha-3 eny anivon’ireo sekoly FJKM nanerana ny faripiadidiam-pampianarana FJKM niisa 26 eto Madagasikara, sy ho fangataham-pitahiana ny asa ho sahanin’izy ireo amin’ny ho avy, no nanolorana sertifika an’ireo mpiofana 24 mianadahy tamin’ity andiany faha-3 ity izay hirahina hanatanteraka fanofanana kosa an’ireo namany any amin’ny sekoly niaviany avy.  Nomena fitaovana pedagojika moa izy ireo hahazoany manatanteraka ny tanjona kinendry dia hanatsarana ny fahaiza-manaon’ny mpampianatra sy hampivoatra ny fomba fampianarana mahazatra any an-tsekoly. Mba hahafahana misitraka vaovao ny fanohizana  ny tetikasa novatsian’ny “Departement Missionnaire Suisse – Echange et Mission” vola dia hotanterahina amin’ny telo volana voalohany ny taona 2017 ny fanombanana ny zava-bita teo aloha.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT