Finoana

Mpaminany Dieu Benis Chylhe Miantso ny Malagasy tsy ho kivy


  • Talata 21 Jona 2022

Matetika mandalo eto Madagasikara aho hatramin’ny 2015, hoy ny mpaminany Kaongoley, Dieu Benis Chylhe.

Tonga eto indray aho ankehitriny, hoy izy, noho ny antson’Andriamanitra naniraka ahy hanangana vahoakan’ny faminaniana eto Madagasikara. Miara-miasa matetika amina fiangonana aho teo fa amin’ity indray mitoraka ity kosa dia naniraka ahy Andriamanitra mba hanatanteraka fihaonana manokana amin’ny vahoaka Malagasy hitsanganan’izay vahoakan’ny faminaniana izay. Hanomboka izany ny hetsika “Samedi miracle” ho tontosaina eny Behoririka ny 25 jona izao. Araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’I Jaona 11:40 hoe “Raha mino ianao dia ahita ny voninahitr’Andriamanitra.” Tenin’I Jesoa tamin’ny fananganana an’I Lazariosy izay efa maty 4 andro io nefa natsangany. Naniraka ahy ao anatin’izao fankalazana ny 62 taona niverenan’ny fahaleovantenan’I Madagasikara izao Andriamanitra mba tsy ho kivy fa asan’I Satana ny fanakiviana. Miantso ny malagasy tsy ho kivy aho fa tsy maintsy ho avy ny fotoana hiankina amin’I Madagasikara I Afrika manontolo. Tsy fantatro hoe rahoviana fa ny hafatra nomena ahy fotsiny ho tsara lavitra ny rahampitso. Diniho tsara fa toy ny basy poleta ny endriky I Afrika kanefa I Madagasikara dia etsy am-pita satria I Madagasikara no bala hitifiran’I Afrika ny tsy mety ataon’ny firenen-kafa atsy ho atsy. Tsy hijanona eto Antananarivo ny hetsikay, hoy hatrany izy, fa nirahana hitondra izany hafatra izany manerana ity nosy ity izahay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT