Finoana

Moramanga Notokanana omaly ny Oniversite FJKM


  • Alarobia 24 Febroary 2021

Notokanana omaly talata 23 febroary ny Oniversity FJKM Ravelojaona, Sampana Moramanga.

 

 

 Ny filohan'ny Fjkm Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, mitandrina niaraka tamin'ireo mpitondra isatsokajiny ao amin'ny FJKM no tonga nitokana izany. Nosantarina tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana natao tao amin'ny Fiangonana FJKM Moramanga Fitiavana, ka ny pastora sady filoha'ny Fjkm no nitondra ny tenin'Andriamanitra izay nalaina tao ami'ny Deotoronomia 28:13, nitondran’ity Raiamandreny am-panahy ity hafatra mafonja. Sampam-pampianarana maro no afaka ratovona amin'ity oniversity ity; Nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana ireo pastora rehetra ao amin'ny sinodam-paritany Mangoro niampy an’ireo olom-panjakana, notarihin’ny Talen’ny Kabinetra'ny Faritra Alaotra Mangoro, sy ny Kaomandy ambon'ny Sekoly Zandaramariamp-pirenena ao Moramanga. Izy roalahy farany ireo izay samy zanaky ny faritra, raha ny fanazavana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT