Finoana

Moramanga Ambohipihaonan’ny Sekoly FJKM


  • Alatsinainy 03 Novambra 2014

Fanompoam-pivavahana notarihin'ny filohan’ny FJKM Lala Rasendrahasina, mpitandrina, niarahany tamin'ireo mpikambana ao amin'ny birao foibe sy ireo mpitandrina tonga maro ary ireo prezidan'ny sinodaly avy any amin'ny faritra maro no nanamarihana ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny taom-pianaran'ny sekoly FJKM eto

Madagasikara, natao tao amin'ny FJKM Moramanga Fitiavana ny zoma 31 oktobra teo. «Ny anantenan'ny marina dia fifaliana» no teny fanevan'ny sekoly mandritra ity taona ity. Nialohavan'ny filaharambe namakivaky ny tanàna niarahana tamin'ireo mpianatra maro ato anatin'ny sinaodam-paritany Mangoro ny fankalazana. Ity fotoana ity ihany koa no nanokanana ny ivontoerana fikarohana ny taranja izay anisan'ny manavia ny mpianatra toy ny fahalalana tsotsotra momba ny olombelona sy ny fizika ary ny matematika nahazo fiofanana manokana ny mpampianatra hahafahan'izy ireo mampita any amin'ny mpianatra.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT