Finoana

Mompera Rolland Rabenarivo Nitambotsitra nandritra ny fiaraha-mivavaka


  • Alatsinainy 25 Janoary 2021

Nodimandry ny alakamisy 21 janoary 2021 teo tao an-tranon'Andriamanitra ny Mompera Rolland Rabenarivo,

 

 

 

 

 « aumônier » tao amin’ny CHU-JRA. Nandritry ny fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana tao amin'ny Lasapely Katolika Saint Luc Famindrampo an'Andriamanitra Befelatanana no nitambotsitra izy. Nanao ny vavaka iraisampinoana ary anjarany tamin’io fotoana io no nanao ranombavaka, izay tokony ho fohy, fa somary nataony lava ihany, raha ny fanazavana, ary dia nofaranany tamin'ny vavaka fifonana. Teniny farany ny hoe "Tompo o" dia nitambotsitra izy ary niala ny ainy. 52 taona izy izao nandao ny tany izao, 28 taona no naha Relijiozy azy, ary 18 taona naha pretra azy tao amin'ny Fikambanan'i Jesoa na Jezoita. Anisan'ny toerana niasany tany amin'ny diosezin'i Tsiroanimandidy.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT