Finoana

Mompera Remi Rahajarizafy Nivoaka ny boky andiany manaraka


  • Alakamisy 14 Desambra 2017

Navoaka tamim-pomba ofisialy ny talata hariva teo teny Ankorondrano ireo boky nosoratan’i Mompera Remi Rahajarizafy notontosain’i Mompera Justino Bethaz.

Nosafidiany manokana ity  mpanoratra malagasy iray  ity noho izay  nandalina ny maha malagasy teo amin’ny fiainany tamin’ny alalan’ireo asa sorany namohafoha ny soatoavina malagasy sy ny fihavanana ary ny fanomezana hasina ny aina.  Tanjona ny mba hahafahana  mahatsiaro an’i mompera Remi Rahajarizafy  hiatrehana ireo zava-misy ianantsika amin’izao eny anivon’ny fiarahamonina. Amin’ny ankapobeny, very tanteraka ny kolontsaina Malagasy noho ny fakantsika tahaka be fahatany ny kolontsaina vahiny. Notsindrian’i Mompera  Fulgence Ratsimbazafy  fa  tsy hita taratra intsony  ny firahalahiana sy ny fifankatiavana eo amin’ny samy Malagasy, antony  mahatonga izao fahantrana be  mianjady amin’ny firenena izao. Nosinganiny manokana ny halatra  taolam-paty izay tsy azo heverina ny fisiany eto amintsika arahin’ny vono olona. Ny hahafahana manitsy ny mpiara-belona, hiverin-dalana ka hanaja ny soatoavina malagasy no tanjona.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT