Finoana

Mompera Rakotondrasoa Jean Timothé “Tsy hanelanelana izany ny FFKM !”


  • Zoma 03 Desambra 2010

Nitondra fanamarihana mikasika ireo vaovao nivoaka an-gazety sy tamin’ny haino aman-jery momba ny mety hiverenan’ny FFKM amin’ny fanelanelanana eo amin’ireo ankolafy politika maro samihafa ny mompera Rakotondrasoa Jean Timothé avy amin’ny FFKM sampana Antananarivo ka nilaza fa tsy marina sy tsy mitombina velively izany.

Siosion-dresaka tsy mbola voaporofo no navoaka araka ny filazany. Ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ihany no afaka milaza izay zavatra hataon’ny FFKM, fa raha toa ka tsy niteny izy ireo dia honohono fotsiny izany no naparitaka tetsy sy teroa, araka ny filazany ihany. Hatreto aloha, tsy nisy ny fanambarana ofisialy nataon’ireo filoham-piangonana ny amin’ny mety hiverenan’ny FFKM hanelanelana, nisy kosa anefa ny antso navoakan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara mba handraisan’ny rehetra ny andraikitra tandrify azy amin’ny famahana ny krizy. Taorian’ny fivoriana faha-33 nataon’ny Komity foibe FFKM notanterahana farany teo tany Toliara no nivoahan’ny fanambarana. Midika ve izany rehetra izany fa tsy hanelanelana intsony ny FFKM ? Maro koa no mieritreritra fa taorian’ireny savorovoro tamin’ny 2009 ireny dia mety nanapa-kevitra ny hipetraka amin’ny maha raiamandreny am-panahy azy ny FFKM ary tsy hiditra mivantana intsony amin’ny raharaha politika satria nahasarotra ny zava-nitranga rehetra teto amin’ny firenena ny fidiran’ny fiangonana tamin’ny raharaham-panjakana sy ny tontolo politika, ary maro no tsy faly amin’ny hanaovana ho fitaovana politika ny fivavahana. 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT