Finoana

Mompera Paul Harbert Nanao taratasy misokatra ho an’ny Papa Benoît XVI


  • Alatsinainy 07 Jona 2010


Nanoratra taratasy misokatra ho an’ny Papa Ray Masina, Benoît XVI, any Vatican ny mompera Paul Harbert, avy any Massachussets Etazonia manoloana ny nanomezan’ny Nonce Apostolika na Solontenan’ny Papa Ray Masina eto Madagasikara, ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara. Notanisain’ity raimandreny am-panahy ity tao anatin’ilay taratasy avokoa ny zava-misy eto Madagasikara nataon’ny FAT toy ireo antsojay natao tamin’ny protestanta FJKM kanefa dia tsy niloa-bava ny katolika nanoloana ireny. Nangataka tamin’ny Vatican àry ity pretra ity mba hanazava amin’ny Vahoaka malagasy sy ny Kristianina ny antony nankatoavan’i Vatican ny fahefana eto amintsika izay azo avy amina fanonganam-panjakana. Marobe mantsy no mihevitra amin’izao fotoana izao, hoy ny mompera Paul Harbert fa toa manararaotra ny zava-misy ka zary lasa manao zinona ary manimba ny «intégrité», maha izy azy ny fiangonana katolika. Namaranany ny taratasiny dia nangataka tamin’i Vatican ity pretra katolika ity mba hanambara fa tsy mitombina izany. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT