Manamafy ny avy ao amin’ny fikambanana «Justice et Paix» tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny, ny mompera Alain Thierry Raharison, fa mihodinkodina be loatra isika amin’ny famahana ny krizy, fa tsy mbola tena hita taratra ny vahaolana mahomby sy maharitra, hatramin’izao.
Tena lany amin’ny adivarotra sy ny ady seza ny fotoana, araka ny fahitan’ny «Justice et Paix» azy. Efa nitranga izany nandritra ny fihaonana tany Maputo (Mozambika) sy Addis Abeba (Etiopia), nitatra tatsy Pretoria (Afrika Atsimo), ary izao mbola mahazo vahana eo amin’ny mpanao politika eto an-toerana izao. Nanambara ny mompera Alain Thierry Raharison fa : «raha narahan’ireo ankolafy rehetra an-tsakany sy an-davany izay vosoratra sy nosoniavina tany Maputo, dia tokony ho nilamina hatry ny ela ny krizy. Efa nisy ihany koa ny fihaonambem-paritra tamin’ny herintaona, saingy toa nanjavona tampoka ny fehin-kevitra nivoaka tamin’izany. Raha notohizana anefa ireny dia tsy ho latsaka anaty krizy lalina tahaka izao ny firenena». Antony mahatonga izany fikatsoana isan-karazany izany ny fisian’ny kolikoly avo lenta eo amin’ny tontolo politika, eto an-toerana sy any ivelany. Ahitana izany koa ao anatin’ny fiangonana rehetra eto Madagasikara araka ny fanazavan’ny mompera Alain Thierry Raharison azy ihany. Koa nanao antso avo izy ny mba hampitsaharan’ireo mpanao politika sy izay rehetra mandray anjara amin’ny famahana ny krizy, izany kolikoly izany satria efa tena marary ny firenena ary fadiranovana ny vahoaka.
Ny maha Malagasy, izay manana fahendrena amin’ny fampiharana ny Fihavanana no tokony hibahana ao an-tsaina sy ao am-pon’ny rehetra, amin’ny famahana izao krizy izao, araka ny nambarany, fa tsy ny fitiavan-tena sy ny ady seza. Tokony hirosoana aloha ny fametrahana ny Repoblika fahefatra, dia ao anatiny indray no samy miezaka mametraka ny toerany, araka ny fankasitrahan’ny vahoaka azy, ireo antoko politika, hoy ihany ny mompera Alain Thierry Raharison, sekretera jeneralin’ny «Justice et Paix». Mikasika ny fiarahamonim-pirenena kosa, dia nampatsiahy izy fa tokony hanentana sy hanaitra ny olona mba handray ny andraikitra tandrify azy izany fiarahamonim-pirenena izany. Ny zava-misy anefa amin’izao fotoana, araka ny filazany ihany dia nivadika ho fironana politika ilay firaisamonim-pirenena fa tsy tahaka ny niforonany tany am-piandohana intsony. Izany tranga rehetra izany no mahatonga hieritreritra, hoy ihany ity mompera ity fa misy kolikoly avo lenta any ambadimbadika any.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.