Finoana

Mirongatra ny halatra lakolosy Mangina be ny Fanjakana


  • Zoma 12 Aogositra 2016

Mirongatra be ny halatra lakolosy tato ho ato. Mila ho isan’andro no andrenesana trangana fanafihana finangonana hangalarana lakolosy, saika manerana ny Nosy mihitsy. Ireo Fiangonana mivondrona eo anivon’ny FFKM no tena lasibatra amin’izany, indrindra ny Fiangonana katolika.

 

 Ny alin’ny alarobia 10 aogositra teo, tany Fihaonana Tsiroanomandidy dia lasan’ny jiolahy ny lakolosim-piangonana. Dimy andro talohan’io, tao Andranovory-Toliara II, notafihin’ny jiolahy mitam-basy ny alin’ny sabotsy 4 aogositra ny mompera katolika mba hangalarana lakolosy roa nampirimina tao an-tranony. Naratra mafy teo amin’ny tratra ilay mompera, ary notsaboina tao amin’ny hopitaliben’i Toliara. Miezaka ihany ny kristianina mampirina na manafina ny lakolosim-piangonana saingy tsy afa-manoatra manoloana ireo jiolahy mitam-basy. Mampametra-panontaniana ny maro ny fahanginan’ny Fanjakana, na dia efa mampiteny ny moana aza ny zava-misy.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT