Hankalaza ny faha-50 taona nijoroany amin’ny taona 2018 ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM).
Nisantarana izany sahady omaly ny fametrahana ny vato fehizoro fanombohana ny asa fananganana ivontoerana fampiofanana ireo mpitandrina eo anivon’ny FJKM manerana ny nosy eny amin’ny Kolejy Teolojia Ivato. Teny faneva nofinidy hanamarihana ity jobily volamena ity ny hoe : «Ary izahay no vavolombelon’ny zavatra rehetra izay nataony tany amin’ny tanin’ny Jiosy sy tany Jerosalema» nalaina tao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-10 andininy faha-39.
Tsy ampy mpitandrina
Iraka goavana miandry ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ny fitoriana ny Filazantsara manerana ny nosy, hoy ny filohan’ny FJKM ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi. Tsy ampy anefa hatreto ny isan’ireo mpitandrina 1.250 manerana ny firenena manoloana ireo fitandremana mahatratra 6.700. Fanamby napetraky ny fiangonana amin’ny ankapobeny ary ny komity nasionaly ao anatin’izao fankalazana ny faha-50 taonany izao ny fanatsarana sy fanavaozana ary ny fampitomboana ny isan’ireo mpitandrina mivoaka ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fananganana toeram-piofanana lehibe eto Antananarivo hanampiana ireo ivontoerana 3 efa misy ao Mandritsara sy Merimandroso ary Fianarantsoa. Tanjona ny hamoaka mpitandrina 100 isan-taona aorian’ny fahavitan’ny asa afaka 22 volana.
7 tapitrisa dolara
Eritreretina ho vita amin’ny volana aogositra 2018 fanombohan’ny fanamarihana ny jobily faha-50 taona ny asa fananganana, hoy ny filoha nasionalin’ny komitim-pankalazana Ravalomanana Marc. Mitentina 7 tapitrisa dolara ny vola ilaina amin’ny fanamboarana ity fotodrafitrasa goavana hampiofanana ireo mpitandrina taona faha-3 eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ity, araka ny fanampim-panazavana. Hanampy ny FJKM amin’ izao ezaka sy finiavana ho fampiroboroboana ny asan’Andriamanitra eto Madagasikara izao moa ny Presbyterian Church avy any Etazonia izay tonga teny an-toerana omaly.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.