Finoana

Mialohan’ny Fihaonambem-pirenena hotarihiny


  • Alakamisy 11 Mey 2023

Hiroso amin’ny fakan-kevitra isam-paritra ny FFKM

Manomana ny fihaonambem-pirenena ny FFKM amin’izao fotoana izao. « Fihaonambe » no anarana hitondrana azy io, ka mialohan’izay dia hisy ny fakan-kevitra isam-paritra ka hanomboka ny faran’ity volana may ity no hiditra amin’izany, raha ny notaterin’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Aorian’ny fakan-kevitra isam-paritra kosa, dia hisy ny fandravonana any amin’ny volana jona. Faritra 35 no nofaritan’ny FFKM hanaovana izany, ka haharitra telo andro ny fihaonana sy fakan-kevitra. Hisy ny fametrahana rafitra “andrimaso” izay natao hanara-maso ny zotram-pifidianana, fandraisan’anjaran’ireo herivelona politika samihafa, ny firaisamonim-pirenena, solontenam-panjakana avy amin’ny faritra samihafa,... Aorian’ny fakana any amin’ny faritra, mieritreritra ny amonndrona ireo rehetra voakasika amin’ny alalan’ny Fakan-kevi-pirenena ny FFKM. Any amin’ny faran’ny volana aogositra na fara-fahatarany ny fiandohan’ny volana septambra no hanaovana an’io. Tanjona ao anatin’izany moa ny hakana hevitra sy hamoahana vahaolana manoloana ny olan’ny firenena tahaka ny lafiny sosialy, toekarena, politika,… Andrasana izay mety ho vahaolana mivoaka eo anatrehan’izao krizy mananontanona ny firenena izao. Miharihary rahateo ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika, ifandroritana ny pitsopitsony ara-pifidianana, mbola baraingo ny hoenti-manana, ny làlana hitondrana ny firenena,… Samy mandrirotra ny zava-misy amin’izay maha mety azy tsirairay ny eo amin’ny Fitondrana sy ny fanoherana, mifampiampanga matetika, mifanameloka,… Ny sary rehetra miseho dia mitady ho tafalentika ao anatin’ny krizy politika mahery vaika isika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT