Finoana

Mgr Rémi Joseph Rabenirina Feno 50 taona sahady ny naha Klerje azy


  • Alatsinainy 27 Novambra 2017

Feno 50 taona sahady ny naha Klerje an’ny Mgr Rémi Joseph Rabenirina.

 Kaonseritra lehibe natolotry ny Jejy Music Orchestra & Choir no nentina nanamarihana izany ny sabotsy teo teny amin’ny La Résidence Ankerana sady ho fanohanana ny fikambanana Rémi Joseph Rabenirina Fund. Felana maro loko no nandravaka ny kaonseritra izay nahavory olona marobe tokoa. Nisy ny tononkalo maro loko notsongaina tao amin’ny bokin-tononkalo “ Felana maro loko” nosoratan’i Sa Grâce Mgr Rabenirina Rémi Joseph  fantatry ny maro amin’ilay solon’anarana “Mery Nirina”. Anisan’ireny ilay “Inty aho, Rabe, Ny hirako…”. Teo ihany koa ireo mozika maro loko notsongaina ary noredonin’ny Jejy Music orchestra &choir narahin’ireo hira be mpitia toy ny Czardas an’ Monti, Mein Herr Marquis an’i Strauss, Habenera an’i Bizet, Aia avaa narindran’i Handi Razakamahefa, Fianarantsoa noforonin’i Handi Razakamahefa … Tsiahivina moa fa navoaka tamin’io ihany koa ny raki-tononkalo voalohan’i Sa grâce Mgr Rabenirina  mitondra ny lohateny hoe : Felana Maro loko. Marihina fa izy no Arseveka Anglikanina Malagasy voalohany. Tamin’ny 21 mey taona 1967 izy no lasa diakona, herintaona taorian’izay, notendrena ho presbytera. Ny 13 mey taona 1995 izy no nohamasinina ho eveka teo anivon’ny diosezin’Antananarivo.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT