Finoana

Mgr Ranarivelo Samoela Jaona “Mila fitoniana ny Vahoaka”


  • Alarobia 12 Mey 2010


«Raha izao no mitohy dia mizotra mankany amin’ny fahapotehana sy faharavana ny fiainam-pirenena. Miha milentika hatrany ao anatin’ny fahantrana sy ny tsy fandriampahalemana ny vahoaka Malagasy. Efa latsaka ambany tokoa izany fahavoazana izany ka mihatra aman’aina ny zava-miseho. Tsy vitsy ireo latsaka anaty famoizam-po noho ny zava-misy mianjady. Miseho lany etsy sy eroa koa ny tsy fitovian-kevitra misy eo amin’ny samy mpanao politika. Mbola variana mihevitra ny tombontsoany fotsiny ihany ny maro ary samy te hanamarin-tena, ka hadino tanteraka ny vahoaka mijaly. Efa be loatra ny voka-dratsy naterak’izany nandritra ny herintaona mahery izao (aina nafoy, fananana rava sy potika, vahoaka mijaly sy very asa...)”, hoy ny filohan’ny Eglizy Episkopaly Malagasy (EEM), ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona. Manoloana ireo dia miantso ny zanany ny fiangonana mba samy handini-tena ary koa hieritreritra tsara manoloana ny fanapahan-kevitra rehetra raisina. Ampy izay, hoy izy, ny fifanomezan-tsiny sy ny fifanilihana andraikitra. Mila fitoniana ny vahoaka, hoy ihany ny filohan’ny EEM koa aoka hatsahatra ny fampihorohoroana sy ny fihantsiana. Amin’ny maha-mpaminany ny Fiangonana, araka ny fanambarana ihany dia manaitra ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay ho sahy hifanatona, hiara-hikatsaka izay ho vahaolana ho tombontsoam-bahoaka hiadanan’ny Malagasy. Mitaky fahavononana hibebaka izany rehetra izany, eo koa ny finiavana sy fanetren-tena. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT