Finoana

Mgr Paolo Rocco Gualtieri Voatendry ho «Nonce apostolique» eto Madagasikara


  • Talata 14 Aprily 2015

Manankarem-baovao ny finoana katolika eto Madagasikara. Notendren’i Papa François omaly ho solontenany (Nonce apostolique) eto Madagasikara i Mgr Paolo Rocco Gualtieri.



 Teraka tamin’ny 1961 tany Supersano (Italia) ity Eveka ity, 54 taona, ary nohamasinina ho pretra tamin’ny 1988. Izy no handimby toerana an’i Mgr Eugène Martin Nugent, izay voatendry hiasa teto Madagasikara, sady misahana an’i Maorisy, Seysela, Kaomoro ary La Réunion, tamin’ny febroary 2010. Tamin’ny sabotsy 11 aprily teo dia notendren’i Papa François ho Evekan’Ambatondrazaka handimby toerana an’i Mgr Antoine Scopelliti, izay nandeha nisotro ronono noho ny fahanterany, i Mgr Jean de Dieu Raoelison, izay Eveka mpanampy tato amin’ny Arsidiosezin’Antananarivo.

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT