Finoana

Mgr Odon Razanakolona – Hery Rajaonarimampianina Misy ady mangatsiaka ?


  • Alarobia 26 Novambra 2014

Maloka ny fifandraisana eo amin’Ambohitsorohitra sy Andohalo. Re izao fa tsy dia azoazon’ny Arsevekan’Antananarivo Mgr Odon Razanakolona loatra ny fisisihan’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina hitarika ny fampihavanam-pirenena

Hentitra ity solontenan’ny fiangonana katolika eo anivon’ny FFKM (Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara) ity nilaza fa mila olona «neutre» tsy miandany ny mitarika an'io fampihavanam-pirenena io ka tsy tokony hiziriziry i Hery Rajaonarimampianina. Noho  ity farany nitana andraikitra ambony sady naharitra nandritra ny tetezamita ve no anton’io fanamarihan’ny Mgr Odon Razanakolona io sa misy lafin-javatra hafa fantany ka hovakiany bantsilana raha misy fiziriziriana ? Tsiahivina ihany koa fa i Hery Rajaonarimampianina no nitarika ilay «Cellule opérationnelle» namoaka ny entan’ny Magro tavela tao amin’ny Port Toamasina taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009.

Tsy afa-miala

Ny 4F na ny Fieken-keloka, ny Fibebahana, ny fahamarinana ary ny Fihavanana no ifotoran’ny fampihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM. Nisy ny fakan-kevitra niantsoan’ireo filoham-piangonana solontena telo isanisany avy amin’ireo filoham-pirenena telo teo aloha, Didier Ratsiraka, Zafy Albert, Marc Ravalomanana, telo avy amin’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina ary solontena telo avy amin’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina. Midika io fa dia tafiditra ao anatin’ny lisitry ny tokony hampihavanina mialoha i Hery Rajaonarimampianina fa tsy afa-miala na hisora-tena ho afaka hitarika izany samirery. Ireo efa-tonta etsy ankilan’izay dia samy milaza ho manohana ity fampihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM ity. Nohamafisina tany Mahajanga omaly nandritra ny fanokafana ny faha-35 taonan’ny FFKM rahateo koa fa ny fiangonana ihany no afaka mampiray.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • LĂ©on XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT