Finoana

Mgr Odon Razanakolona Handeha hisotro ronona, andrasana ny hevitry ny Papa


  • Alarobia 11 Aogositra 2021

Miandry ny fanapahan-kevitry ny Papa amin'ny fisotroan-dronono ho an’ny Arsevekan’Antananarivo Monsenera Odon Razanakolona,

 araka ny fampahalalam-baovaon’i Patrick Raharimanana omaly. Teraka ny 24 may 1946 tao Fianarantsoa I Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona. Nohamasinina ho pretra ny 28 desambra 1975, nakarina teo amin'ny laharana maha Eveka ary notendrena hiasa tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny 11 aprily 1999. Voatendrin'i Papa Benoit XVI ho Arsevekan'Antanananarivo izy ny 07 desambra 2005, taorian'ny fametraham-pialan'i Kardinaly Armand Gaétan Razafindratandra, ary nandray ny asany nanomboka ny 12 febroary 2006. Eo anivon'ny finoana Katolika, misy ny fampianarana hoe mahay manomana ireo andimby, ary mahay mametra-pialana amin'ny andraikitra tanana rehefa feno 75 taona. Ny Eveka rehetra, dia mametra-pialana rehefa feno 75 taona, ary mandeha misotro ronono. Ny Papa irery ihany no afaka mijanona mandra-maty amin'ny toerany, fa afaka ihany koa izy mandeha aloha, toa an'i Pape Benoit XVI, nodimbiasan'i Pape François. Fantatra fa efa nametraka ny fialany eo anivon'i Papa ny Arseveka Odon Razanakolona tamin'ny volana may 2021, fotoana naha feno 75 taona azy, hoy hatrany ny fampahafantarana nataon’i Patrick Raharimanana. Rehefa tsy mbola mamaly ny Papa amin'ny fanekena sy fanendrena izay Eveka vaovao handimby, dia manohy ny asany hatrany aloha ilay Eveka feno taona. Matetika, avaozina isan-taona io fanitarana fotoam-piasana io. Antsoina hoe "Evêque émérite" ilay Eveka lasa misotro ronono, tsy manana fahefana intsony eo amin'ilay Diosezy izy avy eo, fa mijanona aminy avokoa ireo famantarana maha Eveka azy, na dia anaram-boninahitra sisa no entiny. Matetika esorina sy afindra toeram-ponenana hiala ilay Diosezy nisy azy teo aloha izy rehefa vita ny famindram-pahefana ho an'ilay Eveka vaovao mandimby azy. Ny Papa ihany no manendry izay asolo ilay Eveka lasa nisotro ronono, na safidy amin'ireo Eveka efa am-perinasa, na araky ny fanadiadiana lalina ataon'i Vatican amin'ireo Pretra izay akarina amin'ny laharan'ny Eveka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT