Mgr Odon Razanakolona

> Fetiny omaly


  • Alatsinainy 25 Novambra 2013

Nankalazaina omaly tetsy amin’ny Falda Antanimena ny fitsingerenan’ny taona naterahin'ny Mgr Odon Razanakolona niaraka tamin'ny Distrikan'Andohalo.

Tonga tao avokoa ny solontenan'ny paroasy, nahitana pretra, relijiozy, filohan'ny Filankevitra sy tompon'andraikitra isan-tokony na ny fikambanan'ny tanora na ankizy na ny lehibe. Nanafana ny lanonana ny fety narahina fihetsika sy hira nataon'ny tanora isam-piangonana. Nanatrika izany koa ireo mpitondra zanaky ny Fiangonana toa an'i Athanase sy kandida filoham-pirenena Raharimanana Patrick. Ity farany izay vao avy nivahiny tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra ny alin’ny namoahan’ny CES ny voka-pifidianana ofisialy, nilazany ny heviny fa tokony hanasongadina ny tena fandaharanasany amin’izay ireo kandida hiatrika ny fihodinana faharoa, satria izay no tena andrasan’ny Vahoaka. Tsy mbola nanambara izay kandida hotohanany amin’ny fihodinana faharoa Raharimanana Patrick, fa nilaza kosa ho vonona hiaraka hiasa amin’izay afaka hanatanteraka na amin’ny ampahany aza ny programa narosony.

 

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT