Finoana

Mgr Jean Pascal Andriantsoavina Voahosotra ho Eveka mpanampy eto Antananarivo


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2019

Tontosa omaly teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina tamin’ny alalan’ny fotoam-bavaka lehibe ny fanosorana ny Monsenera Jean Pascal Andriantsoavina ho Eveka mpanampy ho an’ny Diosezin’Antananarivo,

 

 

 

 araka ny fanapahan-kevitry ny Papa François. Nisy, araka izany, ny lamesa lehibe notarihin’ny Kardinaly Désiré Tsarahazana tamin’ny fanamasinana ity Eveka mpanampy ity, izay Pretra diosezianina eto Antananarivo, efa « Recteur » teo anivon’ny seminera zokiny fandalinana filozofia tao Antsirabe teo aloha, ary efa « Curé » tao amin’ny Fiangonana “ Notre Dame de l’Assomption” Imerinafovoany Antananarivo. Kihon-dalana lehibe ho an’ny finoana katolika izao, izay efa miomana fatratra amin’ny fotoan-dehibe atsy ho atsy amin’ny fandraisana ny Papa François ny volana 6-10 septambra ho avy izao. Mpino sy vahoaka maro no nanome voninahitra ity lanonan-dehibe ara-pinoana ity, ka anisan’ny olo-manankaja niatrika izany ny filoha am-perinasa Andry Rajoelina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT