Mgr Jean Pascal Andriantsoavina

«Mijoroa, sahy miteny ny tsy mety »


  • Talata 26 Novambra 2024

Na inona fahaizanao , na inona anton'asanao , na inona voninahitrao , aza manambany ny hafa fa hatreo

ambaravaram-pasana daholo izany fa mitovy daholo rehefa tonga ao tsy misy ambony tsy misy ambany fa samy simba avokoa . Koa maninona no manao tsindrio fa lavo ny hafa, koa maninona no manao kely tsy mba mamindro. Asehoy ny tena maha Kristianina fa aza entina hanafenana ny ratsy atao... Mijoroa sahy miteny ny tsy mety, indrindra ny tanora mandraisa andraikitra amin'ny zavatra tsara", hoy ny hafatry ny Mgr Jean Pascal Andriantsoavina Evekan’Antsirabe sady Filoha lefitry ny Fivondronamben’ny Eveka. Hafatra mafonja mahafaoka zavatra maro, ary mikendry fanatsarana ara-pinoana sy ara-piarahamonina samihafa, eny fa na ny ara-politika aza inoana fa voafaoka ao anatin’io satria tena hafatra mahafaobe. Vao tsy ela ny Fivondronamben’ny Eveka no nitondra hafatra mafonja mikasika ny raharaham-pirenena indrindra eo anatrehan’ny fahoriam-bahoaka ankehitriny, ary tena niteny mahitsy sy tsy misorona manoloana ny tsy mety eto amin’ny firenena, ary io mbola hamafisin’ny Mgr Jean Pascal Andriantsoavina io.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT