Finoana

Mgr Félix Ramananarivo Nodimandry omaly teo amin’ny faha-79 taonany


  • Alatsinainy 13 Mey 2013

Misaona ny fiangonana katolika.

 Nodimandry omaly tolakandro, tao Antsirabe, teo amin’ny faha-79 taonany ny Mgr Félix Ramananarivo, Evekan’ny diosezin’Antsirabe taloha, efa misotro ronono. Araka ny re dia nitaraina ho vizaka izy talohan’io, kinanjo dia io nindaosin’ny fahatesana io. Teraka ny 19 mey 1934 tao Belanitra Ambohitompoina, Distrikan’Antanifotsy izy. Avy amin’ny fikambanana La Salette Nohamasinina ho pretra ny 14 aogositra 1965 izy ary Evekan’ny diosezin’Antsirabe nanomboka ny 18 jona 1995 ka hatramin’ny 2009, nandehanany nisotro ronono. Maro ny asa soa notarihiny tamin’ny tanàna maro, anisan’izany ny tao Anjoma Ramartina. Ny alarobia izao no hatao ao amin’ny katedraly Notre Dame de la Salette Antsirabe ny fanaovam-beloma farany azy mialoha ny handevenana ny nofomangatsiakany.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT