Tsy hiova na ovina na ovina ny fampianaran'ny Eglizy momban'ny Fanambadiana Kristianina.
Tsy ho eken'ny Eglizy Katolika velively ary tsy hisy ny Mariazy Katolika dia ny firaisan'ny lahy samy lahy ary ny vavy samy vavy, hoy ny fanazazavan’ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal Evekan'ny Diosezy Antsirabe raha naneho hevitra momba ilay fitsofan-drano ny mitovy fananahana. Nohamafisiny, fa mifototra amin'ny Soratra Masina ny Sakramentan'ny Mariazy, ka tsy ho azontsika ovaina velively, ny tsodrano izay omena azy ireo dia amin'ny maha olombelona azy fa tsy ny firaisan'izy ireo, koa raha mangataka tsodrano ireo olona mitovy fananahana (PD na lesbienne) ireo ka manao hoe: "Izahay ireto Mopera dia PD na Lesbiennes, ka tsofy rano. Amin'izay dia tsy azon'ireo Diakra, Pretra na Eveka ny mitsodrano azy ireo satria ny firaisan'izy ireo no angatahiny tsodrano. « Raha misy ihany koa (olona mitovy fananahana) avy amin'ny "mairie" avy nanao mariazy sivily ka miantso ny Mpisorona hitsodrano azy ireo dia tsy azo atao ny manome tsodrano azy ireo satria ahitana endrika mariazy sy hitsodrano ny firaisan'izy ireo. Noho izany, ny tsodrano omena azy ireo dia: tsy tokony ahitana fihetsika (mifandray tanana), fitafiana (fanao amin'ny mariazy) ary ny vavaka ataon'ny pretra dia vavaka tsotra: fangatahana fahasalamana, toe-pon'ny faharetana amin'ny maha Kristianina, famindram-pon'Andriamanitra, fiadanana... Ary tsy azo atao anatin'ny Litorjia fa eny an-dalana amin'ny pelerinage, na ivelan'ny lamesa », hoy io fanazavana nentin’ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal . Ny toe-pon'ny sinodaly tiana apetraka eto dia ny Eglizy tsy manilika ary tsy manavakavaka ny Kristianina ao aminy, hoy hatrany izy, nanazava, fa toy ny nataon'i Jesoa Kristy nandray ary tsy nanameloka ilay vehivavy mpijangajanga. « Tsy afaka hitsara azy ireo isika. Andriamanitra dia tsy manameloka ny mpanota fa manameloka ny fahotana. Ny Eglizy afaka mitsodrano ny mpanota na inona na inona ny fahotany (firaisan'ny mitovy fananahana, tokatrano maso, manala-jaza, mamolo olona, mangala-bady...) fa kosa tsy mitsodrano na mankato ny fahotana ataony », hoy io Mpitondra fivavahana io.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.