Ny fivadibadihan’ny hevitry ny mpanelanelana avy ao amin’ny SADC sy ny tsy mbola nahazoan’ny FAT fankatoavana iraisam-pirenena dia toa manamarina ny eritreritry ny maro manaraka akaiky ny raharahan-pirenena fa tena mbola matanjaka aty Afrika sy eo amin’ny resaka fifandraisana iraisam-pirenena Atoa Marc Ravalomanana, ary mbola azo hanaporofoana izany ny tsy haneken’ny Vondrona Eoropeanina mihitsy ny maha ara-dalàna ny fitondrana tarihan’i Andry Rajoelina. Ny ankamaroan’ireo firenena Afrikanina nandalo olana sy krizy ary efa nifanehitra tamin’ny Frantsay ihany koa dia tsy mankasitraka intsony ny mpanongam-panjakana ary manohana ny ezaka rehetra hiverenana amin’ny ara-dalàna. Izany hoe maro amin’izy ireo no manohana ny tolona ataon’i Marc Ravalomanana sy izay rehetra miara-dia aminy, hany ka lasa mahery an-tanàna fotsiny ny FAT fa vao mivoaka ny vavahady dia tsy misy hatokona fa hihomehezan’ny olona fotsiny.
Ny Amerikanina moa izay firenena matanjaka indrindra eran-tany dia tsy hanaiky ny FAT izany mihitsy amin’ny endriny ankehitriny na dia hiposaka avy any andrefana aza ny masoandro, araka ny teny famerimberin’ilay minisitra ankehitriny azy izay, fony izy mbola teny an-kianja. Mampihena ny herin’ny FAT izay tsy mahalala mpanolotsaina afa-tsy ny Frantsay sy ny tariny anefa ny fitarazohan’ny tetezamita ary manokatra isan’andro ny lalana ho an’ny mpanohitra na dia tsikaritra ho misy ihany aza ny tsy fitovian-kevitra ao amin’ny Ankolafy 3. Manomboka malaza indray tato anatin’ny herinandro izao ny fodiana an-tanindrazan’ireo filoha teo aloha, ary mandeha ny vina sy ny tombana isan-karazany ka nandrenesana fa toa hoe hamantana any Antsirabe ingahy Ravalomanana vantany vao tonga eto ary any Toamasina kosa ny amiraly Ratsiraka. Samy matanjaka any amin’ireo faritra ireo mantsy izy mirahalahy ary ny mpomba azy tsirairay any dia efa nilaza fa vonona hiaro azy ireo hatramin’ny farany. Misy ihany koa ny filazana fa hiaraka ho tonga amin’ny iraky ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC mialoha ny hanatanterahana ny sonian’ilay sori-dalana Atoa Marc Ravalomanana ka ny sehatra iraisam-pirenena aloha no hiaro azy dia ho hita eo indray ny fifandaminana manaraka.
Efa fanao any ivelany ihany moa ilay hoe mpitondra teo aloha mipetraka any amin’ny masoivoho vahiny iray mba ho fiarovana ny ainy. Mety hitranga eto koa angamba izany, hoy ireo mpanara-baovao ka ny masoivohon’i Etazonia sy Afrika Atsimo no voatonontonona matetika fa mety hampiantrano ity filoha teo aloha ity. Tsy misy mihitsy anefa ny vaovao ofisialy azo hanamarinana izany rehetra izany fa dia miandry izay hidonany ny rehetra, ary mety hafampana indray ny tontolo politika amin’ny fiandohan’ny volana aogositra. Tena tsy mety mahatafavoaka ny baolina ny FAT satria namono biby tsy nahafaty, ka nifoteran’ny rambony no sady mifandona amin’ny matanjaka. Ny hamehezana azy dia ny hoe : tena fady ary tsy fanao mihitsy ny manambany na mieritreritra ny mpifanandrina amin’ny tena hoe resy sy lavo amin’ny fanaovana politika ary mora ny mandrodana fa sarotra ny mitazona ny fahefana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.