Finoana

Masera nolazaina fa nangalatra Nanazava ny pretra Ortodoksa


  • Talata 23 Aogositra 2022

Niteraka resabe tany Ambatondrazaka tamin’ny faran’ny herinandro teo ny zava-nitranga teo anivon’ny fiangonana Ortodoksa Ambodimanga Ambatondrazaka.

Tsy navelan’ireo mpino tao an-toerana hifindra toerana mantsy ilay masera iray niara-nivavaka taminy. Nampangain’ireto farany no nangalatra ny entam-piangonana mantsy izy ka nifampisintomana mafy ary mbola marary hatramin’ny omaly fotoana nahazoana ny vaovao. Nipitsoka mantsy ny tanany.Nitondrana fanazavana mahakasika izany ireo pretra manaraka ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana ka nambarany tamin’izany fa tsy nangalatra ny entan'ny fiangonana tao amin'ny Monastera, ity masera ity.Tsy an'ny fiangonana velively ireo entana noentiny hoy izy ireo fa an'ny kaominote ary tsy mifampiankina ny diosezy sy ny monastera.Mahakasika ny fialan'ny masera tao indray dia nilaza hatrany izy ireo fa tsy nanala ilay masera akory izy fa nafindra any amin'ny kaominote izy satria ny kaominote iray manontolo dia niala Otrodoksa Grika ka nifindra Ortodoksa Rosiana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT