Finoana

Marc Tatandraza “Hody any amin’ny Ray aho…”


  • Talata 25 Jolay 2017

Nanao veloma farany ny Malagasy sy ireo mpankafy azy rehetra, omaly, tetsy amin’ny California Andraharo ny “Apostoly” Marc Tatandraza.

 

Tsy tantiko intsony ny antsojay sy ny fanenjehana mahazo ahy ka dia hitalaho amin’Andriamanitra aho mba hampodiany any amin’izay. Ny hitory filazantsara sy hamonjy fanahin’olona no iraka nampanaovin’Andriamanitra ahy teto ambonin’ny tany kanefa amin’izao fotoana izao dia misy manambitamby ahy hiditra amina raharaha politika. Izaho koa tsy mahaverina any am-ponja intsony fa tsy zakako ny fijaliana tany. Tsy mbola nanao ratsy ary tsy mbola nilalao vehivavy ity mpitondra fivavahana ity ary na ireo mpitandro ny filaminana aza nangatahany porofo ny amin’ny antony tokony hanenjehana saingy tsy nahita. Anisan’ny raharaha faramparany nahasaringotra ny tenany moa ny fifanolanana nisy teo aminy sy ny fiangonana FKM tao Soanierana Ivongo. Nomarihany kosa fa hivoaka ato ho ato mialoha ny andehanany ny rakitsary sy rakipeo ahitana ny tondrozotra ho an’izay handimby ny asany eto an-tany. Niteraka adihevitra be hatry ny omaly ity resaka Marc Tatandraza ity, hoe olona tena matotra marina ve sa manao sinema sa tsy salama saina kely sa nanao tsy mety ka manomana ny fitsoahany ? Hafahafa ihany raha mpitarika fivavahana no matahotra fanenjehana. Milaza izy fa lolo sy matotoa kanefa mbola milaza fa matahotra ny ho faty. Misy zavatra tsy mitombina ihany ilay fanambarana ho an’ireo mandinika tsara.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT