Ambivitra ny fotoana hialan’i Marc Tatandraza na Apostoly Tatandraza, eto ambonin’ny tany.
Nipoitra tamin’ny tambajotran-tserasera indray izy omaly namaritra fa amin’ny desambra 2017 ho avy izao no handeha izy ary halaina sary mihitsy ny fotoana handehanany. Rehefa maty aho dia hosaromana rary simenitra matevina na Beton ny razako. Mialoha izay anefa dia hiezaka hitety tokantrano izy, hanazavany ny irak’i Jesoa Kristy nampanaovina azy teto Madagasikara. Hotetezina avokoa, hoy izy, manomboka any amin’ny filoham-pirenena sy praiminisitra na minisitra ary ny vahoaka manontolo. Miteraka resabe etsy sy eroa moa ny fivavahana sy faminaniana tahaka itony satria tena maro loatra ilay izy eto Madagasikara sy any amina tany mahantra. Ny mahagaga amin’ny olona milaza fa mpaminany sy manana fahitana tahaka itony dia lasa manao politika sy miresaka politika izy ireo avy eo. Maro amin’ny Malagasy no tsy mahafantatra sy tsy mahafehy tsara ny soratra masina, raha finoana Kristianina no resahana, hany ka mety mora ny mampiresaka sy mampanantena zavatra sy mampanofinofy azy ireo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.