Finoana

Marc Tatandraza « Devoly no ao ambadik’izao fahantrana lalina izao »


  • Alatsinainy 22 Mey 2023

Devoly no fototry ny fahantrana sy ny fahapotehan'ny firenena tahaka izao hoy ny Apostoly Marc Tatandraza.

Devoly ny nahatonga ireny valan’aretina covid 19 niparitaka sy rivo-doza nandalo teto Madagasikara ireny hoy izy. Mahakasika ny fahantrana lalina iainan'ny vahoaka ankehitriny indray dia nanamafy ny tenany fa raha tsy miala eto Madagasikara ny devoly dia tsy ho afaka amin'izany isika. Izany indrindra no antony hahatongavany eto Antananarivo amin'izao fotoana izao hanatanteraka fandroahana devoly faobe taorian'ny fitetezam-paritra nataony. Raha araka ny nambarany mantsy dia tsy hisy fampandrosoana vanona mihitsy eto Madagasikara raha mbola mitoetra eto ny devoly. Mbola hisy hatrany ny ady lahy politika, hanjaka ny tsy fandriampahalemana hoy izy, ny fangalarana ny harem-pirenena ... raha toa ka tsy tontosa izany. Hisy ny fangatahany fihaonana amin'ireo tompon'andraiki-panjakana isan-tsokajiny afaka handray azy noho izany toy ny filoham-pirenena, ny praiministra.... Amin'ny mahampitondra fivavahana azy sy amin'ny maha-mpitory filazantsara lehibe azy no hanaovan’i Marc Tatandraza izany. Amin'izany no hilazany hetahetany amin'ireo mpitondra mandray azy ny amin'ny tokony hanaovana hetsika fandroahana devoly faobe eto Madagasikara. Fitarihina ihany no hataoko hoy Marc Tatandraza amin'izany fandroahana devoly faobe izany toy ny tany Sambava, Antsiranana, Fianarantsoa… ary ankehitriny dia eto Antananarivo sy ny manodidina indray. Ny tena izy hoy izy dia ny tsirairay mihitsy no tokony hivavaka handroaka devoly tsy hitoetra eto amin'ny firenena sady efa manakaiky rahateo ny fifidianana. Hahafahana misoroka ny ra mandriaka koa izany hoy hatrany izy. Niakatra teny Ambohitsirohitra teo amin'ny tsangambaton'ny 07 febroary moa ny tenany omaly alahady nitafa fohy tamin'ny mpanao gazety.
Pati
Legende : Ny Apostoly Marc Tatandraza
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT