Finoana

Marc Ravalomanana “Zava-dehibe ny fiaraha-miasa ho fampandrosoana ny Fiangonana”


  • Zoma 20 Jolay 2018

Nanatrika ny fivoriambe faha-22 ho an'ny synodam-paritany Antananarivo Atsinanana teny amin’ny fiangonana FJKM Ambohibe Ilafy Fitahiana i Marc Ravalomanana omaly maraina amin’ny maha filohan’ny jobily faha-50 taonan’ny FJKM azy.

Fotoam-bavaka teny an-toerana moa no nanamarihana azy io, ka nivoitra tao anatin’izany ny lohahevitra hoe : “sahia mitory ny fahamarinana, ary aoka ho feno fisaorana ianareo”. Nankasitraka ny ezaka vita ary mampirisika ny fiaraha-miasa hatrany ho fampandrosoana ny fiangonana izy. Tsy mikely soroka i Marc Ravalomanana raha resaka asam-piangonana, ary matetika no mahazo fanasana, ary tsy eo anivon’ny FJKM ihany fa saika ny fiangonana maro samihafa. Vao tamin’ny herinandro ambony no naneho ny hafaliany tamin’ny fiarahabana ny kardinaly vaovao Désiré Tsarahazana. Nitohy tamin’ny fanotronana ny lasin-tselatra fahatelon’ny sampana dorkasy Antananarivo Renivohitra tany amin'ny FJKM Imerinkasinina Fanasina Sinaodam-paritany Antananarivo Atsinanana ny 12 jolay teo. Ireny rehetra ireny indraindray no entin’ny sasany hafangaro amin’ny politika, saingy amin’ny ankapobeny, dia mahazo fanasana i Marc Ravalomanana amin’ny maha olobe eto amin’ny firenena, indrindra noho ny adidy masina sy goavana iantsorohany eo anivon’ny FJKM.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT