Finoana

Marc Ravalomanana “Tsy manana olana amin’ny Katolika aho”


  • Talata 29 Aogositra 2017

Nihaona sy niresaka manokana tamin’ny Nonce Apostolika sy ny Eveka telo mirahalahy, dia ny Evekan’Antananarivo, Morondava ary Tolagnaro ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly.

 

 Nisy ny valandresaka sy fanehoan-kevitra nataony taorian’izay, ka nilazany fa tena mihetsika ny kristianina ao amin’ny faritra Menabe, ary rehefa mihetsika izy dia mitondra am-bavaka. Ny herin’ny vavaka no hahazoantsika famonjena satria tena mila vonjy ny olona amin’ny tsy fandriampahalemana, ny fahantrana. Niaraha-nanaiky, fa tsy maintsy hampiraisina ny feon’ny Kristianina rehetra ary hetsehina izay azo hampitana vaovao rehetra. Mila vonjy ny olona any an-toerana amin’izao fotoana, mila famonjena izy satria tsy mandaitra aminy mihitsy ny zavatra rehetra hampitainy amin’ny mpitondra hoe mila fandriampahalemana ny vahoaka, hoy i Marc Ravalomanana. Tsotra ny hevitra, dia ny hoe tsy maintsy atao ny serasera sy ny fampitam-baovao. Nitondra fanazavana momba ilay fanaratsiana azy fa nailiky ny katolika ny tenany na koa hoe nandeha nody tampoka, ka nandao ny lanonana ny alahady lasa teo. Hatramin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM, izay tokony hanabe ny fiarahamonina no zary nampiasaina ho fitaovam-panaratsiana sy fandokafana be fahatany ny mpitondra. Araka ny fanazavany dia efa niresaka taminy mialoha ny vikera hoe “ianao ve afaka miandry ny fandraisana sy fiaraha-misakafo ?”, saingy nilaza ho tsy afaka izy noho ny adidy hafa satria mbola nisy ihany koa ny fikarakarana fihaonambe nataony ny harivan’io. Namaly ny mpitarika fivavahana fa rehefa tapitra ny fotoana, ary mandeha ny tsinjaka, dia afaka mandeha mitsaitsaika Atoa Ravalomanana, raha ny fanazavan’ity farany. Tsy nisy velively ny fifandirana na ny tsy fifankahazoana, izay ezahina voizina. Aoka samy ho matihanina tsara amin’ny asany sy ny zavatra ataony, hoy i Marc Ravalomanana fa tsy hanely tsaho ary ahitsiko tanteraka fa matoa ny Nonce Apostolika nihaona sy nifampiresaka tamiko, dia diso daholo ny resaka voizina be etsy sy eroa. Ezahina lotoina sy hampiadiana amin’ny EKAR i Marc Ravalomanana, saingy voaporofo ny firahalahiana sy ny fiombonana. Nandritra ny diany tany Morondava iny, dia nisy ny fanomezana nomen’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ho an ' ireo ankizy marobe tany an-toerana, ary nambara teo ampahibemaso ny nanolorany “yaourt” tsirairay ho an’ireo ankizy 5200 sy ny mpanabe azy ireo izany hoe Ankizy 5 mpanabe 1, saingy tsy mba noresahina, fa aleo namorona vaovao diso mifono fanalam-baraka.

 


Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT