Finoana

Marc Ravalomanana Taorian’Ankaramalaza dia Manandona


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2016

Taorian’ny dian’ny filoha Ravalomanana tany Ankaramalaza dia ny isan-taonan’ny Synodam-paritany Avaratrimania na ny SPAM eo anivon’ny fiangonana loterana Vakinankaratra indray no notsidihiny

. Hita taratra fa tsy maty ao am-pon’ny rehetra izay lalovany ity filoha nolazaina fa naloam-bahoaka ity. Hafaliana hatrany no handraisan’ny krisitianina ny filoha lefitry ny fiangonana FJKM ity amin’ny alalan’ny hofahofa tanana. Tsy nanafina ny hafaliany sy ny fankasitrahany ity filoham-pirenena teo aloha ity ny filohan’ny Synodam-paritany Avaratrimania, Pastora Rakotovao Joseph ary nampahatsiahy ireo fanampiana be dia be nataon’ny filoha tamin’ny fotoan’androny, indrindra ny fiaraha-miasan’ny Fiangonana sy ny Fanjakana tamin’izany fotoana, izay nizotra tokoa. Niompana tamin’ny finoana kristianina sy ny fiarovana izany no tena nivoitra tamin’ny lahateny sy fampianarana nataon’ny filoha Ravalomanana nandritra ity fihaonana ity, izay nahafaly ireo kristianina marobe.

Caius R.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT