Finoana

Marc Ravalomanana tany Ankaramalaza « Mila miorina amin’ny finoana isika »


  • Zoma 03 Aogositra 2018

Notanterahina omaly alakamisy 2 aogositra tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana lehibe ny isan-kerintaona faha-77 an’ny toby lehibe Ankaramalaza.

 

Nisy ny fanokanana mpiandry miisa 433 mianadahy. “Fa miova amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra”. Io andinin-tsoratra Masina notsongaina tao amin’ny  Romana 12.2b io no lohahevitra tamin’ity. Niteny mafy mahakasika ny kolikoly sy ny tsy fandriampahalemana misy eto amin’ny firenena nandritra ny toriteniny ny filohan’ny FLM ny Pastora Dr David Rakotonirina. Fotoan-dehibe ho an’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) sy ny Protestanta amin’ny ankapobeny izy ity. Anisan’ny nanatrika tany an-toerana Atoa Marc Ravalomanana izay nanamafy tamin’ny fandraisam-pitenenany ny mahaza zava-dehibe ny fiorenana amin’ny finoana. Efa hatry ny ela no fantatra amin’ny maha mpino protestanta azy i Marc Ravalomanana, izay efa filoha mpanampy teo anivon’ny birao foiben’ny Fjkm ary ankehitriny dia filohan’ny komity mikarakara ny jobily faha-50 taonan’ny Fjkm sy ny faha-200 taona nidiran’ny LMS teto Madagasikara. Nanatrika ity fotoan-dehibe tany Ankaramalaza ity ihany koa omaly ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izay zanaky ny Fjkm ihany koa. Tazana nifampiresaka fotoana fohy izy sy Atoa Ravalomanana, tao anatin’ny fifanajana saingy tsy nisy nipika ny dinika. Niaraka nitondra am-bavaka ny firenena izy mirahalahy nandritra ny fanompoam-pivavahana omaly. Heverin’ny maro fa samy hisafidy ny fitoniana sy ny fifanajana izy ireo izay azo antoka fa samy ho kandida filoham-pirenena fa tsy hijanona ao am-piangonana fotsiny ny fifanajana sy fifandeferana.

RTT 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT