Finoana

Marc Ravalomanana Nitsidika an’Antsirabe


  • Alatsinainy 04 Aprily 2016

Nitsidika an’Antsirabe omaly alahady ny filoha lefitry ny fiangonana FJKM Marc Ravalomanana. Fiaraha-mivavaka tao amin’ny fiangonana FJKM Ambohimandroso Filadelfia Antsirabe niaraka tamin’ireo fianakaviany sy ireo kristianina tao an-toerana no nataony io omaly io.

 

Fantatra moa fa misy ny ezaka tafo ataon’ny fiangonana ka anisan’ny notolorana ny antontan-kevitra manodidina ny tetikasa amin’izany ny filoha mianakavy ary tsy mbola nisy ny fanampiana nentiny saingy efa noraisiny kosa ny antontan-kevitra momba izany. Fa tetsy an-daniny dia anton-diany tany Antsirabe ihany koa ny fiaraha-mivory tamin’ireo tompon’andraiki-piangonana sy ny kristianina manontolo amin’ny ho fiomanana amin’ny Synoda lehiben’ny FJKM izay hotontosaina amin’ny volana Aogositra ho avy izao.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT